Galatians 4

1Milaza aho fa ny mpandova, raha mbola zaza izy, dia tsy hafa amin’ny andevo, na dia tompon’ny zavatra rehetra aza. 2Kanefa izy dia eo ambany fifehezan’ireo mpiambina sy ireo mpitahiry zava-tsarobidy mandra-pahatongan’ny daty izay napetraky ny rainy.

3Ka toy izany ihany koa, fony isika mbola zaza, dia nandevozin’ireo lalàna fitsipi-pianaran’izao tontolo izao. 4Fa rehefa tonga ny fahafenoan’ny fotoana, dia nandefa ny Zanany Andriamanitra, izay natera-behivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna. 5Nanao izany Izy mba hanavotana ireo izay ambanin’ny lalàna, mba hahafahantsika mandray ny fananganana ho zanaka.

6Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, izay miantso hoe: “Aba, Ray.” 7Noho izany tsy andevo intsony ianao, fa zanaka, ary raha zanaka, dia mpandova amin’ny alalan’Andriamanitra ihany koa ianao.

8Fa tamin’izany fotoana izany, fony ianareo tsy nahalala an’Andriamanitra, dia natao ho andevon’ireo izay, amin’ny hery voajanahary, dia tsy andriamanitra velively. 9Fa ankehitriny ianareo dia lasa nahalala an’Andriamanitra, na koa hoe fantatr’Andriamanitra ianareo, ka ahoana no hiverenanareo amin’ny abidim-pianarana malemy no sady tsy misy dikany? Te ho andevozina indray ve ianareo?

10Mandinika ireo andro sy ireo volana ary ireo vanim-potoana sy ireo taona ianareo! 11Matahotra ny aminareo aho fa sao dia ho zava-poana ny asako teo aminareo.

12Miangavy anareo aho, ry rahalahy, manaova tahaka ahy, satria izaho ihany koa dia efa lasa tahaka anareo. Tsy nanao ratsy tamiko ianareo. 13Kanefa fantatrareo fa noho ny aretim-batako no nanambarako anareo ny filazantsara tamin’ny voalohany. 14Na dia nitondra anareo tamin’ny fakam-panahy aza ny toe-batako, dia tsy nanao tsinontsinona na nanilika ahy ianareo. Fa noraisinareo toy ny hoe anjelin’Andriamanitra kosa aho, toy ny hoe izaho mihitsy no Kristy Jesosy.

15Aiza, noho izany, ny fahasoavanareo ankehitriny? Fa mijoro vavolombelona aminareo aho fa, raha azonareo atao, dia noesorinareo ny masonareo ary nomenareo ahy izany. 16Ka noho izany, efa lasa fahavalonareo ve aho satria milaza aminareo ny marina?

17Izy ireo dia mazoto ny hitaona anareo, fa tsy amin’ny tsara. Te hanidy anareo any ivelany izy ireo, mba hanananareo zotom-po ho azy ireo. 18Tsara foana ny manana zotom-po amin’ny tanjona tsara, ary tsy rehefa miaraka aminareo ihany aho.

19Ry zanako, mbola mijaly amin’ny fanaintainan’ny fiterahana ho anareo indray aho mandra-piforon’i Kristy ao aminareo. 20Maniry aho mba ho afaka miaraka aminareo ankehitriny ary hanova ny feoko, satria sahiran-tsaina noho ny aminareo aho.

21Teneno amiko, ianareo izay maniry ny ho eo ambanin’ny lalàna, moa tsy mihaino ny lalàna ve ianareo? 22Satria voasoratra fa i Abrahama dia nanan-janaka roa lahy, ny iray avy amin’ny andevo vavy ary ny iray avy amin’ny vehivavy afaka. 23Fa ny iray dia nateraky ny andevo vavy araka ny nofo, fa ilay iray hafa dia nateraky ny vehivavy tamin’ny teny fampanantenana.

24Ireo zavatra ireo dia azo raisina ho toy ny fanoharana, satria ireo vehivavy ireo dia manambara fanekena roa. Ny iray amin’izy ireo dia avy amin’ny tendrombohitr’i Sinay ary niteraka zaza izay andevo izy. Izy io dia i Hagara. 25Ary i Hagara dia maneho ny tendrombohitr’i Sinay any Arabia; ary maneho an’i Jerosalema amin’izao fotoana izao, satria nandevozina niaraka tamin’ireo zanany izy.

26Fa i Jerosalema izay any ambony dia afaka, ary izy no renintsika. 27Satria voasoratra hoe: “Mifalia, ianao ry momba izay tsy miteraka. Miantsoantsoa mafy ary manaova hiaka fifaliana, ianao izay tsy mijaly amin’ny fanaintainan’ny fiterahana. Satria ireo zanaky ny vehivavy izay nafoy dia maro noho ny an’ireo vehivavy manambady.”

28Fa ianareo, ry rahalahy, tahaka an’i Isaka, dia zanaky ny fampanantenana. 29Tamin’izany fotoana izany ny olona izay teraka araka ny nofo dia nanenjika izay teraka araka ny Fanahy. Toy izany ihany ankehitriny.

30Kanefa inona no lazain’ny soratra masina? “Alefaso any ny andevo vavy sy ny zanany lahy. Fa ny zanaka lahin’ny andevo vavy dia tsy hizara lova miaraka amin’ny zanaka lahin’ny vehivavy afaka.” Noho izany, ry rahalahy, tsy zanaky ny andevo vavy isika, fa zanaky ny vehivavy afaka.

31

Copyright information for PltULB